Aller au contenu

Joany Batista

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Joany Batista
Ankapobeny
Anarana Joany Batista
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Joany Batista na Jaona Mpanao Batisa dia olo-malaza eo amin' ny kristianisma ary mpaminanin' ny finoana silamo. I Zakaria no rainy ary i Elizabeta bo reniny. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יוחנן / Yohanan izy. Ara-tantara, ny fisiany dia hamarinin' ny andalan-teny avy amin' i Flavio ​​​​Jôsefa. Mpitory teny jiosy izy tamin’ ny andron’ i Jesoa izy.

I Joany Batista ao amin' ny kristianisma

Ny Evanjelin' i Joany dia manondro ny toerana niasany eo amoron' i Jordana sy ao Betania any an-dafin' i Jordana. Mety nitoetra fotoana kelikely tao amin' ny manodidina azy i Jesoa, ka tao no nitaona ny apôstôliny voalohany. Ny filazantsara sinôptika dia mampiray ny fiandohan' ny asan' i Jesoa amin' ny fampigadrana an' i Jaona.

Nitombo hatrany ny mpihaino an’ io mpaminany apôkaliptika io, ka nanaitra an' i Herôda Antipasy, izay natahotra sao hiteraka fikomiana, rehefa nahita azy nanangona ny mpomba azy. Araka ny filazantsara sinôptika dia novonoina ho faty i Joany satria nanakiana ny fanambadian' i Antipasy an' i Herôdiasy.

Ao amin’ ny kristianisma, i Joany Batista no anisan' ny mpaminany nanambara mialoha ny fiavian' i Jesoa sy nanao batisa azy teo amoron' i Jordana, ary namela ny mpianany sasany hiaraka aminy. Mpialoha lalana ny Mesia i Joany izay aseho ao amin' ny filazantsara sinôptika fa manana toetra maro itoviany amin' i Elia mpaminany, izay tsy voalaza ao amin' ny Evanjelin' i Joany.

Ny Katôlika dia manao azy ho olomasina ary manokana fety roa ho azy: ny 24 Jona, izay fahatsiarovana ny nahaterahany, napetraka enim-bolana alohan' ny Nôely na Krismasy mba hifanaraka amin' ny tantaran' ny fahazazan' i Jesoa ao amin' ny Evanjely nosoratan' i Lioka, ary ny 29 Aogositra, izay ankalazana ny fahatsiarovana ny fanapahan-doha azy.

I Joany Batista ao amin' ny fivavahana hafa

Ny mandeisma dia manao azy ho mpaminany lehibe indrindra. Ny Mozilmana dia manao azy ho mpaminany taranak' i 'Imrān sady miantso azy amin'ny anarana hoe Yahya.

Jereo koa

Rohy ivelany

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.