Aller au contenu

Aristôkrasia

Avy amin'i Wikipedia

Ny aristôkrasia dia fitondrana ara-pôlitika izay itanan' ny olona sangany vitsy anisa ny fahefana amin' ny fomba ôfisialy sady manjakazaka: sarangam-poko, andriana na sarangam-piarahamonina, solontena voafidim-bahoaka na nofidin' izay nodimbasany, sangany ara-tsaina na fitondran' ny teknisiana (teknôkrasia), eny fa na mety ho ara-pilôzôfia koa aza. Atao hoe aristôkrasia ihany koa ny mpikambana ao amin' ity sangany ity, na andriana na olom-boafidy, olo-malaza na mpanankarena, nomenklatura na establishment, na endrika hafa hita maso na miafina.

Ny teny hoe aristôkrasia dia avy amin' ny fototeny grika hoe άριστοι / aristoi (izay midika hoe "tsara indrindra"), sy κράτος / kratos (izay midika hoe "hery", "fahefana", "fitondrana"). Nanomboka tamin' ny Revôlisiôna Frantsay, ny teny hoe "aristôkrasia" dia nampiasaina amin' ny fomba diso mba hanondroana ny andriana manokana, ka nahatonga ny hevitra ankapoben' io teny io ho very, indrindra ao amin' ny teny frantsay.

Matetika, ny hevitry ny tzny hoe aristôkrasia sy ôligarsia dia ampifanakaikezin' ny olona. Na izany aza, ireo teny roa ireo samy hafa noho ny ôligarsia tsy mifamatotra amin' ny sangany nilaza ny tenany ho izany (mety ho fifantenana amin' ny alalan' ny vola, ohatra, izany), fa ny aristôkrasia kosa dia tsy midika hoe vitsy anisa voafaritra tsara. Na izany aza, mijanona ho mifanakaiky ireo hevitra roa ireo ary ny fifgangaroana dia hamarinin' ny foto-pisainana momba ny fahefana, satria heverina an-tendrony ho fikambanan' ny mahery ny sangany, ka lasa mitonona ho izany tokoa. Noho izany, ireo teny roa ireo dia matetika ampiasaina mifandimby toy ny tsy misy fahasamihafana.