Brôma
Ny brôma dia singa simika mitondra ny laharana atômika 35, ny evany dia Br, ranoka misy poizina amin' ny mari-pana mahazatra. Anisan' ny halôzenina enina izy (ny fliôro F, ny klôro Cl, ny brôma Br, ny iôda I, ny astata At ary ny tenesa Ts.).
Ny brôma tsotra, izay manana raikipohy simika Br2, dia ranon-javatra mivolontakatra amin' ny hafanana sy tsindry manara-penitra. I Carl Löwig sy i Antoine-Jérôme Balard dia nahita an' io singa tsotra io tamin' ny taona 1825 sy 1826. Avy amin' ny teny grika hoe bromos ("maimbo") ny anarany, noho ny fofony maimbo.
Tsy dia betsaka loatra ny brôma izay singa simika faha-62 ao amin' ny nofon-tany. Ao amin' ny zavaboary dia tsy misy mihitsy amin' ny endrika dibrômina izy, fa matetika amin' ny endrika brômiora. Noho ny fanasan' ny rano ny vatolampy sy ny fahamora levon' ny brômiora metaly dia miangona ao anaty ranomasimbe ny brôma (ao anefa izy dia 289 heny vitsy noho ny klôra): loharanon' ny brôma ny ranon-dranomasina. Ny ranon' ny Ranomasina Maty dia misy 50 000 mg/kg iôna brômiora ary manome, miaraka amin' ny tahiry any Etazonia sy any Sina, ny tahiry lehibe indrindra eran-tany.
Ao amin' ny akora mineraly, ny iôna brômiora dia matetika mifandray amin' ny volafotsy. Ny mineraly mifanaraka amin' izany dia ny brômarzirita (brômiora-na volafotsy AgBr), hita tany Mexico tamin' ny taona 1841, sy ny embôlita.
Ankoatry ny fandraisany anjara amin' ny fanimbana ny sosona ôzônina dia toa mitana anjara toerana lehibe amin' ny fandotoana ny tontolo iainana izay fantatra amin' ny anarana hoe "orana merkiora" (manodidina ny 80 % amin' ny tranga) ny brôma. Ny fandoroana fako sy sisan' akora tsy ilaina no tena mampiely azy eny amin' ny rivotra, ary amin' ny sehatra maro dia tsy misy ny sanda fetran' ny fielezany eny amin' ny rivotra na eny amin' ny fanarian-drano maloto.
Ny brôma dia ampiasaina hanomanana ny fandoko sasany sy hamoronana ny dibrômôetanina, izay mahaforona ny ranoka manohitra ny fipoahana ao anaty solika. Ny brômiora metaly azo avy amin' ny brôma dia ampiasaina amin' ny fanasana sary pika (brômiora-na volafotsy) na atao fanafody fampitonian-tsaina.