Aller au contenu

Indônezia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Indonezia)
Republik Indonesia ((id))
Repoblikan' Indonezia ((mg))
Saina an'i Indonezia Faneva an'i Indonezia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Bhinneka Tunggal Ika
(vieux-javanais : « Unité dans la diversité »)
Teny ofisialy Bahasa Indonesia
Renivohitra Jakarta
6°10′5″S 106°49′7″E / 6.16806°S 106.81861°E / -6.16806; 106.81861
Tanàna ngeza indrindra Jakarta
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika
Joko Widodo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 15
1 904 570 km²
4,85 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2019)
 - hakitroka
faha 4
268 512 352[1] mpo.
132 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Indonezianina, Indônezianina
IDH (2019) Endrika:Mihidina 0,707 (atonontonony) faha 111
Sandam-bola rupiah (IDR)
Faritr'ora UTC +7 à +9
Hiram-pirenena Indonesia Raya
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+62

I Indônezia, na Repoblikan' i Indônezia dia firenena manambara kôntinenta roa, dia i Azia Atsimo Asinanana sy i Ôseania, eo anelanelan' ny Ranomasimbe Indiana sy ny Ranomasimbe Pasifika. Tamba-nosy misy nosy miisa 17 500 ny firenena indônezianina, anisan' izany i Sumatra, i Java, i Sulawesi, ary ny ampahany amin' i Borneo sy Ginea Vaovao; ny 922 amin' ireo no misy mponina. Izy noho izany no tamba-nosy lehibe sy mivelatra indrindra eto an-tany. Io firenena io no faha-14 lehibe indrindra amin' ny velarany izay mirefy 1 904 569 km2. Tombanana any amin' ny 280 tapitrisa ny mponina ao aminy. I Java, izay nosy be mponina indrindra eran-tany, dia fonenan' ny antsasaky ny mponina ao amin' ilay firenena. Mitsinjara amin' ny foko miisa 1 300 any ho any izay miteny amin' ny fiteny miisa 700 any ho any. Izy no firenena fahefatra be mponina indrindra eran-tany. Izy koa no firenena voalohany indrindra raha ny isan' ny mpino silamo no heverina, nefa tsy manana fivavaham-panjakana. Amin' ny fiteny indônezianina dia atao hoe Republik Indonesia i Indônezia. I Jakarta no renivohiny sady anisan' ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany. Mikasa hanova ny renivohiny any Nusantara, izay tanàna vaovao, i Indônezia.

Sarintanin' i Indônezia

Tamin' ireo taonjato voalohandohany tal. J.K, ny Vondronosy Indoneziana dia faritra nanan-danja teo amin' ny varotra miaraka amin' i India sy i Sina eo afovoan' ny tambajotra nanana ny ivony tao Fou-nan. Nandray ny môdely ara-kolontsaina sy ara-pivavahana ary ara-pôlitika indiana ny mpitarika ireo tanàna seranan-tsambo indôneziana ireo. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 dia nifindra tany amin' ny Fanjakan' i Sriwijaya any amin'ny tapany atsimon' i Sumatra ny foiben' ny fifanakalozana. Tamin' ny taonjato faha-8 dia niroborobo ny fambolem-bary tao afovoan' i Java izay nahafahan' ny fanjakà-mpanjaka samihafa nanangana trano sy tempoly ary sarivongana ara-pivavahana lehibe. Izany no fiandohan' ny vanim-potoana klasika indôneziana.

Noho ny fihen-danjan' ny Lalan' ny Landy, ny andilan-dranomasin' i Malacca dia lasa sampanan-dalana an-dranomasina lehibe ho an' ny raharaham-barotra eo amin' i Indônezia sy i Sina andaniny, ary eo amin' i Indônezia sy i India sy ny faritra Atsinanana Afovoany ankilany. Tafiditra anaty tambajotra ara-barotra iraisam-pirenena izay nanjakan' ny mpivarotra silamo haingana ny Vondronosy Indôneziana. Niova tsikelikely ho silamo ny andriana rehetra tao amin' tanàna seranan-tsambo samihafa.

Tamin' ny taonjato faha-16, tamin' ny taonan' ny "fahitana zava-baobao lehibe" nataon' ny Eorôpeana, noho ny fahitana kôntinenta vaovao, dia nitady lalana hankanesana any Azia Atsimo sy Azia Atsinanana ny firenena mpanan-karena eorôpeana, nitady ny lalana hahafahany mividy zava-manitra. Tamin' ny taona 1511 dia resin' ny Pôrtogey tao Goa ny Maley tao Melakka ary nanomboka nofeheziny ny lalana mankany Azia Atsinanana ka toraka izany koa ny fivarotana landy sy zava-manitra. Ny Hôlandey no nandresy ny Pôrtogey tao Melakka tamin' ny taona 1605 ary nanomboka nozanahin' ny Hôlandey i Indônezia nanomboka tamin' io taona io. Taona amam-polony aty aoriana dia nanomboka nanjanaka sy nipetraka tany amin' ny nosin' i Java ny Hôlandey ary nataony renivohitra ny tanànan' i Jayakarta, novainy anarana ho Batavia (Jakarta ankehitriny). Potiky ny adim-pifandimbiasan' ny Fanjakan' i Mataram ny nosy Java ka nanome tsikelikely ny taniny tamin' ny mpanjana-tany hôlandey. Tamin' ny taonjato faha-19 dia nanomboka ny fitsentsefana ara-toekarena nataon' ny mpanjanatany hôlandey, ary mametraka ny lalànany eo amin' ny tamba-nosy izy ireo. Nipoitra tamin' ny taonjato faha-20 ny hetsiky ny tia tanindrazana ho setrin' izany. Tamin' ny taona 1945 dia niady sy nanambara ny fahaleovan-tenan' i Indônezia i Sukarno sy i Mohammad Hatta. I Sukarno no nitondra ny firenena tamin' ny taona 1945 ary pôlitika sôsialista no nampihariny; nihanahantra dia nahantra ny Indônezianina tamin' ny taompolo 1950 izay nanjakan' ny hetsika fisaraham-bazana. Tao aorian' ny zava-nitranga tamin' ny taona 1965-1966 dia naka ny fahefana i Suharto. Nandritra ny fanjakany dia nisy ny fivoarana ara-toekarena, fa nampitodika an' i Indônezia tany amin' ny demôkrasia ny fialan' i Suharto tamin' ny taona 1998.

Manerana ny nosy maro ao aminy, i Indônezia dia ahitana vondrona maro miavaka ara-kolontsaina sy ara-piteny ary ara-pivavahana. Ny Javaney no maro anisa indrindra sady manana hery ara-pôlitika lehibe indrandra. Amin' ny maha firenena tokana sy vahoaka tokana ny mponina ao aminy, i Indônezia dia namolavola ny maha-izy azy tamin' ny famaritana fitenim-pirenena irayn dia ny fiteny indônezianina (izay endriky ny fiteny malay), ary manaja ny fahasamihafana misy ao aminy sy ny fahamaroan' ny fivavahana na dia ny mpino silamo aza no maro anisa.

Na dia eo aza ny habetsahan' ny mponina sy ny hahavon' ny hakitroky ny mponina ao aminy, i Indônezia dia ahitana faritra maro midadasika mahatonga an' ilay firenena hanana karazan-javamananaina betsaka dia betsaka, na dia mihena aza io lova voajanahary io noho ny fitomboan' ny asan' ny olombelona.

Teraka tamin' ny 17 Aogositra 1945 ny Repoblikan' i Indônezia tamin' ny fanambaràna ny fahaleovantenan' i India Hôlandey; i Sukarno sy i Hatta no nanao io fanambaràna io.

Vanim-potoana mialoha ny tantara

[hanova | hanova ny fango]

Ny faritra misy ny tamba-nosy indôneziana ankehitriny dia efa nonenan' ny olona izay antsoin' ny Eorôpeana hoe Abôrijina (karazana vazimba), roa alina taona lasa izay. Ny vahoaka abôrijina dia nipetraka tao Indônezia nandritra ny roa alina taona, tamin' izany fotoana izany, noho ny ranomandry miangona any amin' ny tendrontany avaratra sy atsimo, ny lentan' ny ranomasina tamin' izany fotoana izany dia mbola ambany raha mitaha amin' ny lentan' ny ranomasina ankehitriny, ka rehefa nanomboka niakatra ny lentan' ny ranomasina dia nankany amin' ny kôntinenta Aostralianina ny Abôrijina. Any Papoazia sy any Melanezia no ahitana Abôrijina ankehitriny.

Ny Aostrônezianina dia tonga tao Indônezia tamin' ny taonarivo faharoa tal. J.K. hatramin' ny taona 1500 tal. J.K. Tao ny Abôrijina sy ny Aostrônezianina no nifangaro.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]
Ny zaratany indônezianina
Ny saritanin' i Indonezia, avy amin'ny Central Intelligence Agency.

Ny firenen' i Indônezia dia tamba-nosy any Azia Atsimo Atsinanana, eo amin' ny tamba-nosy anelanelan' ny Ranomasimbe Indianina sy ny Ranomasimbe Pasifika (Ranomasin' i Sina Atsimo). Voazara tamba-nosy maro ny tamba-nosy Indônezaianina:

  • Ny Nosin' i Sonde any andrefana - voazara anelanelan' ny Nosy lehiben' i Sonde any andrefana (Somatra, Java, Bôrneô, Solaoesy) ary ny nosy kelin' i Sonde, nosy kely any atsimon' i Indônezia avy any Bali hatrany Timôro
  • Ny Papoazia any amin' ny farany atsinanana.

I Indônezia, ankoatran' i Papoazia, dia lazaina hoe an' ny tamba-nosy mbola ngeza, dia ny Insolindia. Ny nosy ngeza indrindran' i Indônezia dia i Somatra, i Bôrneô (zarainy amin' i Malaizia sy Broney), i Papoazia Andrefana, ny tamba-nosin' i Solaoesy ary i Java, nosy be mponina indrindra ao Indônezia (miisa 100 tapitrisa ny mponiny).

Ny Nosy Bali ihany no toerana tena itsangatsanganan' ny vahiny sy ny mpitsangatsangana any Indônezia. Amin' ny nosy hafa azo soratana, azo lazaina ny Nosy Timôro sy ny Nosy Flores (nisy karazan' olona vaovao hita tany tamin' ny 2003; ny Homo floriensis).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Governemanta

Defia Rosmaniar

  1. ((en)) Indonesia, CIA World Factbook, 20 novambra 2008.