Aller au contenu

Fitafiana

Avy amin'i Wikipedia
Fiatafiana japôney taloha natao hiarovana amin' ny orana

Ny fitafiana dia fitaovana entina manarona ampahany amin' ny vatan' olombelona. Matetika izy io no vita amin' ny lamba. Ny fitafiana anaovana, sy ny antony hanaovana izany, dia miovaova be eo amin' arakaraka ny kolontsaina sy ny fotoana; arakaraka ny safidin' ny tsirairay izy ireo (fiarovana) sady faritan' ny fiarahamonina (fampisehoana ny sata misy ny tena, na fitondran-tena ara-môraly).