Aller au contenu

Jorery

Avy amin'i Wikipedia
Jorery mpiseho isan-taona, Neotibicen linnei

Ny jorery na mpindy na findy na dira dia bibikely mpaneno eny ambony hazo sy mivelona amin' ny fitsentsefana ranon-kazo, mahaforona fianakaviambe, Cicadoidea, ao amin' ny filaharana Hemiptera (tena bibikely). Ao amin' ny zana-daharana Auchenorrhyncha izy ireo, miaraka amin' ny bibikely mitsambikina kely kokoa toa ny Cicadellidae sy ny Cercopoidea. Mizara ho fianakaviana roa ity fianakavoambe ity, dia ny Tettigarctidae izay misy karazany roa any Aostralia, sy ny Cicadidae izay misy karazany maherin' ny 3 000 vofaritra, manerana izao tontolo izao; karazany maro no mbola tsy voafaritra. Saika ny karazana jorery rehetra dia jorery mpiseho isan-taona afa-tsy ny karazana jorery vitsivitsy any Amerika Avaratra, ao amin' ny vondron-karazana Magicicada, izay mipoitra faobe isaky ny 13 na 17 taona amin' ny faritra iray.

Ny jorery dia manana maso misongadina an-daniny sy an-kilan' ny lohany, tandroka fohy, ary elatra eo anoloana manify dia manify. Maneno mafy ny ankamaroan' ny karazana jorery, amin' ny alalan' ny fikosehany haingana sy ny famotsorany ireo zavatra toy ny amponga eny aminy. Niseho tamin' ny vanim-potoan' ny Permiana Ambony ny Cicadomorpha fôsily fantatra voalohany indrindra; hita eran' izao tontolo izao amin' ny faritra manana toetany antonony sy mafana ny karazana misy. Matetika izy ireo no miaina eny ambony hazo, misakafo ranon-kazo miakatra (xylem), ary manatody amin' ny triatra eo amin' ny hodi-kazo. Mbola mahabe fanontaniana ny ankamaroan' ny jorery. Mivoaka mandritra ny andro ny ankamaroan' ny karazana jorery rehefa lehibe, ary ny sasany maneno maraina na hariva. Karazana vitsivitsy tsy fahita firy ihany no fantatra fa mivoaka alina.

Jorery mpiseho isaky ny 17 taona, Magicicada,

Mipoitra isaky ny 13 na 17 taona, arakaraka ny karazana sy ny toerana misy azy, ny vondron-karazana manokana any Amerika Avaratra, ny Magicicada, izay mandany ny ankamaroan' ny androm-piainany mandritra ny maha monany azy any ambanin' ny tany. Mampihena ny isan' ny jorery maty noho ny fihazana azy ireo ny faharetana tsy mahazatra sy ny fiarahana mipoitr' izy ireo, izay mahatonga azy ireo ho remby tsy azo ianteherana (ka izay biby mpiremby hiankin-doha amin' ny jorery dia mety ho mosarena amin' ny fiandrasana ny fipoirany), sy amin' ny fisehoany betsaka tampoka toy izany hanome fahafaham-po ny biby mpiremby sisa tavela rehetra alohan' ny hampihena ny isan' izy ireo ka handrahona ny fahaveloman' ny karazany.

Na dia manana tsingerim-piainana miovaova eo amin' ny 1 ka hatramin' ny 9 taona na mihoatra aza ny jorery mpiseho isan-taona mandritra ny maha monany azy any ambanin' ny tany, dia tsy miaraka ny fisehoan' izy ireo ety ambonin' ny tany rehefa lehibe, noho izany dia miseho isan-taona ny jorery sasany amin' ny karazana tsirairay.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Amboa nihaza jorery ka feo no re.
  • Aza manao toy ny jorery: ny feony mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava.
  • Ilay nitono jorery ka sitrany ahay vaza-mihetsika.
  • Tahaka ny jorery ny fanompoana, ka na tapaka aza ny tongony aman-tanany, mbola mimenomenona ihany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]