Aller au contenu

Simenitra

Avy amin'i Wikipedia
Fampiasana ny simenitra

Ny simenitra dia karazan-tsokay mafy ohatra ny vato rehefa afangaro amin' ny fasika miaraka amin' ny rano, izay ampiasaina hanakambanana na handalorana vato na biriky tany na biriky simenitra, amin' ny fanamboaran-trano, tetezana, tohodrano, sy ny zavatra mitovitovy na mifandray amin' ireo. Tamin' ny taonjato faha-19 no nanombohana nampiasa indray ny simenitra na dia efa nampiasas azy aza ny Rômana. Ny sokay sy ny taniditra no taharo voalohany nanamboarana ny simenitra, fa niitatra izany taty aoriana ka tafiditra ao koa ny fasika sy ny poti-bato.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]